|
|
|
 |
|
MADAGASIKARA |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Ny rakitry ny ela dia voandalana ho an'ny taranaka mifandimby.
Ilay tantsambo pôrtigaly DIEGO DIAZ no erôpeana voalohany nahita an'i Madagasikara. Tamin'ny 10 aogositra 1500 no nahitany azy: ka nahatonga ny anarany hoe nosy SAINT-LAURENT. Niova ho nosy DAUPHINE tamin'ny tapatapaky ny taonjato faha-17. Vao naka ny anarana hoe MADAGASIKARA nanomboka ny taonjato faha-18.
Araka ny boky sorabe iray mirakitra ny tantaran’ny antemoro anefa, dia voalaza mazava fa talohan’ny 1500 io dia efa Madangasikara no anaran’ity nosintsika ity fa misy n ; fa ny anarana napetrany no tian’ireo eropeana hipetraka ka nanovainy azy.
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
Fantatrao ve i Madagasikara?
|
Ny filamatra
(tarigetra)
(La devise)
|
TANINDRAZANA
FAHAFAHANA
FANDROSOANA
Patrie - Liberté - Progrès
|
|
Ny hiram-pirenena
(L'hymne national)
|
Ry Tanindrazanay malala
|
|
Ny sainam-pirenena
(Le drapeau national)
|
MAINTSO FOTSY MENA

|
NY TOMBOKASEM-PANJAKANA
(Seau de l'Etat) |
Hatramin’ny 1993 no nisian’ny tombokasem-panjakana. Ahitana ny soratra: REPOBLIKAN'NY MADAGASIKARA sy ny TARIGETRA. Voarakitra ao koa ny sarin’ny Madagasikara, lohan’omby, salohimbary ary ravinala.
|
|
Ny Fitenenana
(La langue nationale)
|
TENY MALAGASY
Ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny taonjato faha-16 dia ny SORABE no soratra malagasy, nolovain'ny antemoro tamin'ny arabo izy io ka soratra miendrika soratr'arabo. (jereo eto NY SORABE )
Ny 1823 kosa no namboarina ny teny malagasy ankehitriny io ka nisian'ny abidy malagasy voalohany. I Radama I no nampanao sy toromarika tamin'izany, ary nototosain'ny misionera.
Natonta voalohany ny bokin'ny genesisy tamin'ny 04/12/1827 ary ny baiboly manontolo kosa dia vita ny taona 1835 |
|
NY SARINY
|

|
|
NY FOKO VALO AMBINIFOLO
(Les 18 ethnies de Madagascar)
|
Antakarana, Antambahoaka, Antanosy, Antandroy, Antefasy, Antemoro, Antesaka, Bara, Betsileo, Bezanozano, Betsimisaraka, Mahafaly, Merina, Sakalava, Sihanaka, Tanala, Tsimihety, Zafisoro.
( Marihina fa ireo no foko vaventy fa misy ireo foko madinika maro )
|
|
Ny velarany (superficie)
|
587 041 km²
|
| Ny halavany(longueur) |
1570km
|
|
Ny sakany (largeur)
|
580 km
|
|
Ny morontsiraka (littoral)
|
4828 km
|
|
Ny tendrombohitra avo indrindra
(Points culminants)
|
Ny tendron'ny Tsaratanana dia i Maromokotra : 2886 m
Ny tendron'Andringitra dia i Boby = 2658m
Tendron'Ankaratra dia i Tsiafajavona = 2643m
|
|
Ny renirano lava indrindra
(Les plus long fleuves )
|
Onilahy = 870 km (Toleara)
Mangoky = 721 km
Ikopa = 664 km
|
NY FARITANY 6:
|
Toleara
|
161 405 km²
|
Toamasina
|
71 911 km²
|
|
Mahajanga
|
150 023 km²
|
Antananarivo
|
58 283 km²
|
|
Fianarantsoa
|
102 373 km²
|
Antsiranana
|
43 046 km²
|
|
RY TANINDRAZANAY MALALA O
Hiram-pirenena Malagasy
|
ZANAHARY 0! TAHIO
NY TANINDRAZANAY
Loka faharoa tamin'ny fifaninanana
izay ho hiram'pirenena Malagasy.
|
1-Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Isan'andininy:
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.
2-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay.
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.
3-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao.
No fototra ijoroan'ny satanao.
|
1-Zanahary o, tahio ny tanindrazanay,
handroso lalandava, handry fehizay.
enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,
dia ho tany sambatra ILAY MADAGASIKARANAY.
2- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa.
Tolory saina hendry, kinga sy mahay.
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa.
Dia ho tany sambatra;
ILAY MADAGASIKARANAY.
3-Ny taranakay arovy ho vanona tokoa.
Ireo no solofo, dimby rahatrizay.
Ka ho tena mahatoky feno fahendrena koa.
dia ho tany sambatra,
ILAY MADAGASIKARANAY
|
Tonony: Pasteur RAHAJASON
Feony: Norbert RAHARISOA
Taona: 1958 |
Tonony sy feony: Gilles RAMIARISON
Taona: 1958 |
Copyright © www.ankizy.fr.gd 2007- |
|
|
|
|
|
|
 |
|
ROHY |
|
|
|
|
|
|
 |
|
VAOVAO sy MAHASOA |
|
|
|
|
|
|
 |
|
Mitady amin'ny GOOGLE |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|