SEHATRY NY ANKIZY
 
  MANDROSOA
  RAFARALAHY RAMIANTRA
  FAMATARANANDRON'NY NTAOLO
  ANGANO
  TANTARA TODIKY NY LASA
  ANKAMANTATRA
  ANKAMANTATRA tohiny
  ANKAMANTATRY ny NTAOLOZANDRINY
  KITONONA MALAGASY
  MADAGASIKARA
  => FILAMATRA sy tahiry
  => Sorabe
  MAHALIANA: fantatrao ve?
  MPITONDRA 1787-2010
  -RANAVALONA III
  ARIRA
  ASASAINA
  ASAMARIKA
  MITSIKIA
  LALAO ANKIFIDY
  FEE
  JEUX
  OHABOLANA
  NY MOMBA NY NAHATERAHANAO
  ANATRA (+12 taona)
  KAJIO NY HABE ARA-PAHASALAMANA
  BFM TV vaovao mivantana any Frantsa
  Maminany ny solosaina
  GALERIE
  Espace membre
MSN, HOTMAIL,live.fr
TRADUCTION EN LIGNE: texte ou site en entier
HITADY VIDEO:hira,hehy

MADAGASIKARA
1-Ry Tanindrazanay malala ô -Ry Madagasikara soa -Ny fitiavanay anao tsy miala -Fa ho anao ho anao doria tokoa.2- Ry Tanindrazanay malala ô-Irinay mba hanompoana anao-Ny tena sy fo fanahy anananay-'zay sarobidy sy mendrika tokoa.3- Ry Tanindrazanay malala ô-Irinay mba hitahiana anao-Ka Ilay Nahary izao tontolo izao-No fototra ijoroan'ny satanao-isan’andininy: Tahionao ry Zanahary - 'Ty Nosindrazanay ity-Hiadana sy ho finaritra-He sambatra tokoa izahay


Ny rakitry ny ela dia voandalana ho an'ny taranaka mifandimby.
Ilay tantsambo pôrtigaly DIEGO DIAZ no erôpeana voalohany nahita an'i Madagasikara. Tamin'ny 10 aogositra 1500 no nahitany azy: ka nahatonga ny anarany hoe nosy SAINT-LAURENT. Niova ho nosy DAUPHINE tamin'ny tapatapaky ny taonjato faha-17. Vao naka ny anarana hoe MADAGASIKARA nanomboka ny taonjato faha-18.
Araka ny  boky sorabe iray mirakitra ny tantaran’ny antemoro anefa, dia voalaza mazava fa talohan’ny 1500 io dia efa Madangasikara no anaran’ity nosintsika ity fa misy n ;  fa ny anarana napetrany no tian’ireo eropeana hipetraka ka nanovainy azy.

 
REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA

 

                                          Fantatrao ve i Madagasikara?

Ny filamatra
(tarigetra)
(La devise)

TANINDRAZANA
FAHAFAHANA 
FANDROSOANA
Patrie    -   Liberté    -   Progrès   

Ny hiram-pirenena
(L'hymne national)

Ry Tanindrazanay malala

Ny sainam-pirenena
(Le drapeau national)

MAINTSO  FOTSY  MENA  
 

NY TOMBOKASEM-PANJAKANA
(Seau de l'Etat)

Hatramin’ny 1993 no nisian’ny tombokasem-panjakana. Ahitana ny soratra: REPOBLIKAN'NY MADAGASIKARA sy ny TARIGETRA.  Voarakitra ao koa ny sarin’ny Madagasikara, lohan’omby, salohimbary ary ravinala.

Ny Fitenenana
 
(La langue nationale)

TENY MALAGASY
Ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny taonjato faha-16 dia ny SORABE no soratra malagasy, nolovain'ny antemoro tamin'ny arabo izy io ka soratra miendrika soratr'arabo. (jereo eto  NY SORABE )
Ny 1823 kosa no namboarina ny teny malagasy ankehitriny io ka nisian'ny abidy malagasy voalohany. I Radama I no nampanao sy toromarika tamin'izany, ary nototosain'ny misionera.
Natonta voalohany ny bokin'ny genesisy  tamin'ny 04/12/1827 ary ny baiboly manontolo kosa dia vita ny taona 1835

NY SARINY


NY FOKO VALO AMBINIFOLO

(Les 18 ethnies de Madagascar)

Antakarana, Antambahoaka, Antanosy, Antandroy, Antefasy, Antemoro, Antesaka, Bara, Betsileo, Bezanozano, Betsimisaraka, Mahafaly, Merina, Sakalava, Sihanaka, Tanala, Tsimihety, Zafisoro.
( Marihina fa ireo no foko vaventy fa misy ireo foko madinika maro )

Ny velarany (superficie)

587 041 km²

Ny halavany(longueur)

1570km

Ny sakany (largeur)

580 km

Ny morontsiraka (littoral)

4828 km

Ny tendrombohitra avo indrindra
(Points culminants)

Ny tendron'ny Tsaratanana dia i Maromokotra : 2886 m
Ny tendron'Andringitra dia i Boby = 2658m
Tendron'Ankaratra dia i Tsiafajavona = 2643m

Ny renirano lava indrindra
(Les plus long fleuves )

Onilahy = 870 km  (Toleara)
Mangoky = 721 km
Ikopa = 664 km



 NY  FARITANY 6: 

Toleara

161 405 km²

Toamasina

71 911 km²

Mahajanga

150 023 km²

Antananarivo

58 283 km²

Fianarantsoa

102 373 km²

Antsiranana

43 046 km²


RY TANINDRAZANAY MALALA O

Hiram-pirenena Malagasy

ZANAHARY 0! TAHIO 
NY TANINDRAZANAY

Loka faharoa tamin'ny fifaninanana
 izay ho hiram'pirenena Malagasy
.

1-Ry Tanindrazanay malala ô
Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Isan'andininy:
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay. 

2-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay.  
'zay sarobidy sy mendrika tokoa.

3-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka Ilay Nahary izao tontolo izao.
No fototra ijoroan'ny satanao.

1-Zanahary o, tahio ny tanindrazanay,

 handroso lalandava, handry fehizay.

enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray,

 dia ho tany sambatra ILAY MADAGASIKARANAY. 

2- Ireo mpitondra anay arovy lalandava koa.

Tolory saina hendry, kinga sy mahay.

Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa.

Dia ho tany sambatra;
ILAY MADAGASIKARANAY. 

3-Ny taranakay arovy ho vanona tokoa.

Ireo no solofo, dimby rahatrizay.

Ka ho tena mahatoky feno fahendrena koa.

dia ho tany sambatra,
ILAY MADAGASIKARANAY

Tonony: Pasteur RAHAJASON
Feony: Norbert RAHARISOA
Taona: 1958
Tonony sy feony: Gilles RAMIARISON
Taona:
1958
 

 

 

Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
ROHY  
 
NY BAIBOLY MALAGASY
BIBLE:texte intégral
100% QUESTIONS
MILALAO

MAHALIANA

 
VAOVAO sy MAHASOA  
 

NY MAHASOA :

 Site des mamans et  jeunes parents
<br>

 ohabolana malagasy

 Découvrir Madagascar dans toute  sa splendeur et tous ses aspects

amusez-vous les enfants!Telecharger l'antivirus avast

Annuaire Malgache974
Annuaire Malgache974


 
Mitady amin'ny GOOGLE  
 

Logo Google

 
 
 
Conjugaison Française :