SEHATRY NY ANKIZY
 
  MANDROSOA
  RAFARALAHY RAMIANTRA
  FAMATARANANDRON'NY NTAOLO
  ANGANO
  TANTARA TODIKY NY LASA
  ANKAMANTATRA
  ANKAMANTATRA tohiny
  ANKAMANTATRY ny NTAOLOZANDRINY
  KITONONA MALAGASY
  MADAGASIKARA
  MAHALIANA: fantatrao ve?
  MPITONDRA 1787-2010
  -RANAVALONA III
  ARIRA
  ASASAINA
  ASAMARIKA
  MITSIKIA
  LALAO ANKIFIDY
  FEE
  JEUX
  OHABOLANA
  NY MOMBA NY NAHATERAHANAO
  ANATRA (+12 taona)
  KAJIO NY HABE ARA-PAHASALAMANA
  BFM TV vaovao mivantana any Frantsa
  Maminany ny solosaina
  GALERIE
  Espace membre
MSN, HOTMAIL,live.fr
TRADUCTION EN LIGNE: texte ou site en entier
HITADY VIDEO:hira,hehy

KITONONA MALAGASY
 Samy nanana ny fiantsony azy itony hirahira mifamaly itony,heno maningatsingana  any andohasaha any, ifamaliana  amin'ilay diavolana fenomanana iny na eo amin'ny takariva amorom-patana. Izany no fahiny nanabeazan'i bebe sy dadabe fony fialamboly.
Mikarantsana ny  feon'ireo zazabodo miana-miteny maka tahaka ny hiran'ny zoky.
Isan'ny fanabeazana nahomby nikolokoloan'ny Ntaolo ny lanjan'ny teny sy ny fifandraisana mantsy ny kitonona ankira ka sady lalao no mampifamatotra  fihavanan'ny ankizy ary  ataoko fa vitsy ny tsy mbola nitononona ny "Nankaiza ny tanteliko teto!" raha mbola ankizigasy koa.
Hitanisa kitonona vitsivitsy nampitain'ny lovantsofina isika, hampitaintsika koa ny taranaka ho avy.
(Mety ho samihafa ny fomba nampitaina azy ho an'ny tokatrano tsirairay fa ny votoantiny dia mitovitovy ihany)                                        

Nankaiza ny renin-driako ô?

      Lasa any amoron’ny ala.

Naninona any  amoron’ny ala?

      Naka ravi-bonaika.

Atao inona ravi-bonaika?

     Tafian’ny zanak’andriana.

Ndeha ho aiza  ny zanak’andriana?

      Ndeha hihaino kabary.

Ahoana kabarin’andriana?

IZAY MANGALATRA HONO GADRAINA

IZAY MAMONO OLONA KOSA VONOINA.

 

Zavavy e zavavy e!
  Ahoana e ! ahoana
Nankaiza e nenin-driako!
Lasa izy e, natsaka
Ka raha maty any izy atao inona
Fonosana ravitatamo
Ravitatamo ve hahafono azy 
Fa lambamena vao mahafono azy.

Very vakana aho zavavy 
 Vakana inona ho aho zavavy
Jijikely ho aho zavavy
Tsy mahita ho aho zavavy
Kilalaoko omeko andry!!
 Indry kely sopatra io.

[Misy kosa ireo manonona hoe:
Nankaiza e! vadin-driako
Lasa izy e! nandrato a!]
 

  Inona no atao fehiloha?

    Voninkazo ao an’ala.

Inona no atao samboady?

    Lamba ihany fa tsara.

Ka mety va izao, tsara va izao!!

    Metimety sady tsara tokoa.

 

Mandrosoa re ! atrakao ny lohanao

Mitehafa mandihiza !

Mety va izao, tsara va izao.

      Metimety mendrika hianao.

          
 

Iza iry ambony iry?
         Izaho ihany ity
Firy ny atodin-dry?
Telo sy efatra ihany.
Mba omeo iray ary aho, 
raha mba mikotrika indry?
Mikotrika ihany aho
 fa tsy mahavanona

Ny akoholahy mitsoka mozika.
Ny akohovavy manao riorio.
Ny akohokely  manao  kiokio.
Kiokio kio, tandremo lahy 
Kiokio kio


(Eo ambony felatanana)
Nankaiza ny tanteliko eto ô!

    Lanin’ny vitsika

Vitsika inona ô !

    Vitsikambo

Kambo inona ô !

    Kambo sola

Sola inona ô !

    Sola paika

Paika inona ô !

    Pai-drora

Rora inona o !

   Rora vazana 

Vazana inona ô!
   Vazan’omby 

 

 

Omby inona ô !

    Omby rana

Rana inona ô!

    Rana sofina

Sofina inona ô!

   Sofin’omby

Omby inona?

    Omby Rana

(Mitety ny tanana amin'izay)

Teto izy nihinam-bary tsy nanome ahy,

Teto izy nisotro rano tsy nanome ahy;

Teto izy tratran’ny orana!!!!

Tato izy nialokaloka e!!! (ambany helika io)

 

MAMERINA ISA 

ISAn'
ROA
TELO
EFATRA
DIMY
ENINA
FITO
VALO
SIVY
FOLO
   

 

AMONTANA
AVIAVY
FANGADY
ROFIA
EMBOKA
MANGAMANGA
PARAKY
TANATANANA
RONGONY
FANOLEHANA

miaraka:

Andriamaintibe ny papango
Kely mpitsoka farara ny takatra
Kely mpamalifaly ny vanja
Kely mpandatsaka aina ny bala
Lava tanana tsy miasa ny foza
Bodokely matavy ny toho
 

 


Copyright © www.ankizy.fr.gd  2007-
Miverina eny ambony
ROHY  
 
NY BAIBOLY MALAGASY
BIBLE:texte intégral
100% QUESTIONS
MILALAO

MAHALIANA

 
VAOVAO sy MAHASOA  
 

NY MAHASOA :

 Site des mamans et  jeunes parents
<br>

 ohabolana malagasy

 Découvrir Madagascar dans toute  sa splendeur et tous ses aspects

amusez-vous les enfants!Telecharger l'antivirus avast

Annuaire Malgache974
Annuaire Malgache974


 
Mitady amin'ny GOOGLE  
 

Logo Google

 
 
 
Conjugaison Française :